Azo tamin’ny volana novambra teo ny famatsiam-bola mitetina 60 tapitrisa dolara avy amin’ny Banky iraisam-pirenena hanarenana ny kaompania Madagascar Airlines. Fanampiana azo taorian’ny fanovana napetraka momba ny fitantanana sy nanekeana ny drafitra napetraka. Na izany, vinavinaina hiverina ny taona 2025 ny sidina iraim-pirenena ataon’ny kaompania.
Hahena hatrany amin’ny 50% ny tetibola ao anatin’ny lalàna mifehy ny tetibolam-panjakana. Ilaina ny fahazoana fanampiana avy amin’ny Tahirim-bola iraisam-pirenena (FMI) amin’ny alalan’ny fametrahana ny “facilité élargie de crédit” (FEC) ho fampihenana io tetibola io.
Niasa toy ny andavanandrony avokoa ny olona mivelona isan’andro omaly. Na teo aza ny fotoan’ny fifidianana, nilaza ny ny ankamaroan’izy ireo fa isan’andro ny fidiram-bolany. Ao anatin’izany ny filana isan’andro entina misakafo, ny andoavana ny hofan-trano, ny fandaniana ny jiro, ny saram-pianarana ho an’ny ankizy.
Misy fanamboarana ny vata fanapahana herinaratra eny Ambatofotsy Avaratra, distrika Avaradrano. Voakasik’izany ny any Ambolotara sy Ambatofotsy. Samy ao anatin’ny tambajotra iraisan’Antananarivo (RIA) ireo voalaza ireo.