Hatao ny 20 hatramin’ny 23 jona 2024 izao, eny amin’ny foibe CCI Ivato, ny Foara iraisam-pirenena ho an’ny fizahantany (ITM), andiany faha-10. Miaraka amin’io koa ny Foara iraisam-pirenena ho an’ny asa tanana (IHM). Firenena ho vahiny manan-kaja amin’ity fotoana ity i Côte d’Ivoire.
Natao sonia fanindroany, omaly, ny fifanarahana iarahan’ny minisiteran’ny Fizahantany sy ny asa tanana (MTA), amin’ireo mpiara-miombon’antoka amin’ny fikarakarana azy. Nanatrika ny fotoana ny minisitra MTA, Randriamandranto Joël, sy ny filohan’ny filankevi-pitantanan’ny fizahantany (ONTM), Ranaivoarimanana Onjaniaina. Teo koa ny iraky ny kaonsilan’i Côte d’Ivoire eto Madagasikara, Roger Dago, nilazany fa hanao araka izay vitany izy ireo amin’ity hetsika ity. Hisy ny mpandraharaha ara-pizahantany sy ny asa tanana ivoariana ho avy eto amintsika.
Miisa 21 ny mpiara-miombon’antoka sy ny mpanohana ny ITM sy ny IHM 2024. Mpitatitra ana habakabaka ofisialy ny Madagascar Airlines, ary anisan’ny mpanohana ny Ravinala Airports.
Njaka A.