VAOVAO TAMBATRA

Manodidina ny 5 000 isa ny vola 50 Ar volamena vokarin’ny Banky foiben’i Madagasikara (BFM). Efa misokatra ny fisoratana anarana hahafahana mividy izany amin’ny vidiny 12 tapitrisa Ar. Afaka misoratra anarana ao amin’ny tranokalam-pifandraisain’ny BFM ireo rehetra maniry te hisitraka ity vola volamena ity.

Mahatratra 80% ny ala honko velona tamin’ny fambolen-kazo natao tany Ambanjabe, kaominina sy distrika Marovoay. Velaran-tany 300 ha no nambolena, notanterahin’ny ONG Tany Ifandovana, tamin’izany. Ni­tsi­dika tany an-toerana, ny fitantanam-paritry ny Jono, faritra Boeny, ny 28 mey teo.

Nifampizara traikefa momba ny fanadihadiana ireo ambana amin’ny jono tsy ara-dalàna, tsy voafehin-dalàna ary tsy voambara (pêche INN) tany Maputo, nandritra ny roa andro, ireo firenena mikambana ao anatin’ny Plan régional de surveillance des pêches (PRSP). Nandray anjara tamin’izany i Madaga­sikara. Tanjona ny hanatsarana ny ady atao amin’ny jono INN.

Tafapetraka ny fitaovana entina mandrefy ny fandaniana solika gazoala (Geofilling) any amin’ny toby mamokatra herinaratra any Toamasina. Ampi­asana teknolojia niomerika ity fitaovana ity, ahafahana manara-maso sy mitsitsy ny fandaniana solika miditra sy mivoaka, entina hanarenana ny orinasa Jirama.

Partager sur: