Hotanterahina eny amin’ny la Base 213 Arivonimamo, rahampitso, ny dingana faharoan’ny fiadiana ny ho tompondakan’i Madagasikara Rally-“Run Mada 2024”. Araka ny fanazavana nataon-dRanaivo Rindra, filohan’ny Antananarivo Moto Auto (Ama), izay mpikarakara, hiavaka ny fifanintsanana amin’ity. Anisan’izany ny fampiasana ny lera amin’ny lalaon’ireo mpifaninanana Open.
Tsara marihina fa hosokajiana araka ny tanjak’ireo fiara ny lalao eny an-toerana. Hisy ny “Pro Run”, ny “Super Run” ho an’ireo fiara latsaky ny 250 CV ary ny Run ho an’ny -200 CV. Mirefy 402 m ny halavirana amin’ity fifanintsanana ity. Handeha mivantana amin’ny tambajotran-tserasera Facebook ny klioba Ama ity lalao ity, raha ny nambaran’ny mpikarakara.
Tsara ny mampahatsiahy fa lasan’i Herizo Boarilaza na i Bobo, mitondra ny fiara Mitsubishi Evo V, ny fandresena, nandritra ny andiany voalohany izay natao teny Arivonimamo, ny 28 avrily lasa teo. Marihina fa miisa dimy ny dingana amin’ny fifanintsanana “Rally Run Mada 2024”.
F.R