“Ode ry Gasikarako” andiany faharoa : manambatra ny hery ho fiarovana ny tontolo iainana

Miantoka ny fampivoarana ny fiainan’ny olombelona ny tontolo iainana. Ilaina ny fanambarana ny hery rehetra ho an’ny fiarovana izany mba ho lovain-jafy sy hiainana mirindra miaraka amin’ny natiora.

Ho an’ny taninjanaka! Loza mitatao ho an’ny mpiara-belona ny fahasimban’ny tontolo iainana sy ny karazana zavamananaina. Ilaina ny fandraisana andraikitra sy fiaraha-mientan’ny rehetra ho an’ny fiarovana maharitra sy lovain-jafy mba hahafahan’ny rehetra miaina ankalalahana miaraka amin’ny natiora. Antony mahatonga ny hetsika Ode ry Gasikarako andiany faharoa, karakarain’ny Malagasy Brand Com­mu­nication izay atao eny amin’ny zaridainan’Antanina­renina, mandritra ny roa andro. Ma­mpivondrona ireo mpisehatra sy ireo mpiara-miombon’antoka samihafa ao anatin’ny tontolo iainana ny hetsika. «Tanjona, araka izany, ny hanambatra ny hery sy hampandraisana anjara ny rehetra ho fiarovana izany», hoy ny mpikarakara ny hetsika, Stepha­nia Nomenjanahary. Tsy afa-misaraka sy miankindoha tanteraka amin’ny tontolo iainana ny olombelona noho izy miantoka ny fiveloman’ny tsirairay. Noho izany, manana adidy goavana ny rehetra hiady ho an’ny fiarovana ny tontolo iainana.

Tafasiry
Nandray anjara amin’ny hetsika “Ode ry Gasikarako” ireo mpikaroka sy mpandraharaha ary ny mpanao gazety mpisehatra amin’ny tontolo iainana. Omaly, nisy ny tafasiry nifampizarana fahalalana. Nitondra fanazavana mahakasika ny toekarena sy ny tontolo iainana ary ny modelin’ny toekarena vaovao, ny Pr Andriamahefazafy Fano, mpahay toekarena ara-tontolo iainana raha nitondra ireo vina ho an’i Madagasikara miaina anaty tontolo iainana mampiadana sy manan-karena karazan-javamananaina kosa ny Dr Raharinirina Baomiavotse. Nanazava ireo voka-pikarohana ho an’ny tontolo iainana sy karazan-javamananaina ma­no­katra lalana mankany amin’ ny vinanasa kosa ny mpandrindra ny tetikasa “Varuna”, Science de la durabilité, Rako­to­arimino Lalarisoa. An­koatra izay, nampahafantatra ny lalàna manoloana ireo fanamby ara-tontolo iainana sy hamehana ara-toetr’andro ny Dr Radilofe Randianina. Voa­resaka ihany koa ireo lokanady momba ny toetr’andro sy ny andraikitry ny mpanao gazety.

Henintsoa Hani

Partager sur: