Andron’ny Karazan-javamananaina: nankasitrahana ireo mpiantsehatra

Nankalazaina omaly, tao amin’ny saha Imaitsoanala, any Mandraka, ny Andro iraisam-pirenena ho an’ny karazan-javamananaina (JIB). Nitarika ny fotoana, tamin’izany, ny minisitry ny Tontolo iainana sy ny fampandrosoana maharitra (Medd), Max An­toine Andonirina, niaraka tamin’ireo mpisehatra amin’ny tontolo iainana rehetra. Lohahevitra noraisina tamin’ity taona ity ny hoe : « Miasa miaraka ho an’ny karazan-javamananaina ». Nilaza ny tale jeneralin’ny karazan-javamananaina ao amin’ny Medd, Razafindraibe Rinah, fa tanjona amin’ity fankalazana ity ny fampahafantarana ny tokony hitandroana ny karazan-javamananaina. Nanamafy ny minisitra Max Antoine fa mpitarika sy mpandrindra ny paikady ihany ny minisitera fa ny rehetra no mpanatanteraka. Nomarihiny koa fa « tsara vintana ianareo mpianatry ny EPP Mandraka satria manana ny valan-javaboahary Man­draka, anisan’ny ala voajanahary tavela any amin’ny tapany atsinanan’ny Nosy ». Nambarany avy hatrany fa hatao faritra arovana ny valanjavaboahary any Man­draka, araka ny fangatahan’ny mponina. Nisy ny dia an-tongotra (randonnée) nitetezana ny faritra, omaly.
Nankasitrahina nandritra ity fotoana ity koa ireo mpisehatra sy mpikaroka amin’ny tontolo iainana miisa 12. Anisan’izany ny profesora Ratsimbazafy Jonah, ny Pr Lily-Arison René de Roland, ny Dr. Randriamahazo Heri­lala, sns.

Njaka A .

Partager sur: