Tetikasa Produir: ahitana singa firaka ny lakandrano C3

Ataon’ny mponina fanariam-pako samihafa ny lakandrano C3. Anisan’izany ny akora simika sy mekanika, izay tena ahitana firaka ka miantraika amin’ny fahasalamana.

Nisy fanadihadiana ara-tsimika sy fizika natao ny fotaka tamin’ny lakandrano C3, ny taona 2017, nialoha ny fanatanterahana ny Tetikasa fampandrosoana ny tanàn-dehibe ho an’Antananarivo (Produir). Anisan’izany ny singa metaly mavesatra, ka voaporofo fa tsy mampidi-doza ny 9 tamin’ireo 16 nanaovana fitiliana, satria latsaky ny ta­han’ny fetra mamono ny zava-mananaina. Mampidi-doza ho an’ny fahasalamana kosa ny 7, satria mihoatra amin’ny fetra. Voalohany amin’ireo singa mampidi-doza ireo ny firaka.
Nilaza Rarivoson Christian, manampahaizana amin’ny tontolo iainana ao amin’ny Produir, fa « nihoatra amin’ny fetra, H14, ny tahan’ny singa firaka. Araka ny fanasokajiana nataon’ ny Fikambanana maneran-tany ho an’ny fahasalamana (OMS) anefa, ao anatin’ireo singa simika 10, mampididi-doza indrindra ny firaka. Miantraika amin’ny taovan’ny olombelona, mety manimba ny atidohan’ny ankizy, ka mampihena ny fari-pahalalany ara-tsaina (QI). Mampiova ny fihetsika, tsy mifantoka amin’ny zavatra hatao ary lasa tsy tia ny fiarahamonina. Mampiakatra ny tosidra, miantraika any amin’ny voa, marefo tsy afaka manohitra ny aretina, ary mety ho tsy afaka miteraka ny vehivavy ».

Tontolo iainana

Nataon’ny mponina fanariam-pako hatrany ny lakandrano C3 hatramin’izay. Ao anatin’izany ny fatin-javatra elektronika sy mekanika. Anisan’ny tena ahitana ny firaka ny bateria amin’ny fiara. Eo koa, ny poti-damba, ny loko, ny akora dorana, izay miteraka singa ahitana firaka betsaka, sns. Mivarina ao amin’ny
C3 daholo ny akora solika, izay ahitana firaka ihany koa. Nanamafy Rarivoson Christian, fa « izay no nahatonga ny Produir hanala ireo fotaka ao amin’ny C3, ka hafindra sy angonina any amin’ny toerana manokana mihiboka ».

Njaka Andriantefiarinesy

Partager sur: