Fambolena: tetikasa hanatsarana ny vary

Nampahafantarina ny 31 mey sy ny 1 jona teo, tany Mana­kara, ny fiaraha-miombon’antoka eo amin’ny tetikasa Defis sy ny tetikasa Africa Rice. Tanjona ny hanatsarana ny kalitaon’ny fambolem-bary, hampiakarana ny tahan’ny vokatra. Misy ny fiaraha-miasa amin’ny Fofifa, ny CFFAMMA ary ny SOC, hanatsarana i lalam-pihariana io. Miainga any amin’ny fikarohana ny masomboly, ny famokarana, ny fampitaovana mekanika, ny fanodinam-bokatra, sns. Misitraka ity tetikasa ity ny any Atsimo Atsinanana, Vatovavy, Fitovinany ary Amoron’i Mania.
Nivoitra, nandritra ity atrikasa ity, ny fampahafantarana ny fanadihadiana voalohany natao. Nofaritana ny asa hotanterahina sy ny laharam-pahamehana. Nojerena ny sehatra mila fanadihadiana lalina ary ny asa fanampiny tokony hotohanan’ny mpiara-miombon’antoka.
Tsiahivina fa vatsian’ny Tahirimbola iraisam-pirenena mahakasika ny fambolena (Fida) ara-bola ny tetikasa Defis, eo ambany fiahian’ny minisiteran’ny Fambolena sy ny fiompiana.

Njaka A.

Partager sur: