Zavamananaina an-dranomasina : hampitomboina avo telo heny ny AMP arovana

Mandray anjara hampitomboana avo telo heny ny fari-dranomasina arovana eto amintsika ny tetikasa GEF-AMP. Tanjona ny hiarovana ny karazan-javamananaina samihafa ao aminy.

Araka ny tatitra avy amin’ ny tetikasa GEF6-AMP*, tandindomin-doza ny karazan-javamananaina an-dranomasina sy amorontsi­raka eto Madagasikara. Misy amin’izy ireny ny ahina ho lany tamingana. Mahatonga izany ny fitrandrahana tafahoatra ataon’ny mpanjono sy ny fanimbana ny toera-ponenan’ ny hazan-dranomasina, ny ala honko. Eo koa ny fahasimban’ ny morontsiraka sy ny anaty ranomasina, vokatry ny fio­van’ny toetr’andro.
Miisa 10 ny fari-dranomasina arovana (AMP) eto Mada­gasikara, mirefy 643 935 ha. Miisa 12 ny faritra arovana miaraka amin’ny an-tanety sy an-dranomasina, mirefy 1 559 653 ha.
Tanjon’i Madagasikara ny hampitomboana avo telo heny ny AMP, hiarovana ny karazan-javamananaina ao aminy. Handray anjara hanatrarana izany ny tetikasa GEF6-AMP. Tetikasa eo anivon’ny minisiteran’ny Tontolo iainana sy ny fampandrosoana maharitra (Medd). Mamatsy vola azy ny Tahirimbola ho an’ny tontolo iainana maneran-tany (GEF).

Hazan-dranomasina, vorona, …
Misy amin’ireo karazan-javamananaina an-dranomasina na amorontsrika tsy hita raha tsy eto amintsika, toy ny voron-drano, mitoetra eny amoron-dranomasina, miisa 7. Eo koa ny soka-dranoma­sina, antsoina koa hoe « fano », misy karazany 5, hita any avaratra andrefana sy atsimo andrefan’i Madagasikara.
Mandalo aty Madagasi­kara ka ny trozona manom­boka ny vanim-potoan’ny ririnina, toy izao, miteraka sy mampitombo ny zanany. Any amin’ny helidranon’Antogil no ahitana azy hatrany amin’ny tapany atsinanana, toy ny any Sainte Marie, Foulpointe, sns. Mahasarika  mpizahatany maro, vahiny sy malagasy izy ireny.
Mahakasika ny zavama­niry, misy ny vatohara, ny ahi-dranomasina, ny ala honko izay toera-ponenan’ny ma­kamba sy ny fozabe.

Njaka Andriantefiarinesy

Partager sur: