Reniranon’ i Onilahy ; 110 ha ny ala potika ao amin’ny faritra arovana

Potika tanteraka ny tontolo iainana eto Madagasikara. May avokoa ny ankamaroan’ ny ala vokatry ny hetraketraky ny olombelona. Ho an’ny faritra Atsimo Andrefana, manodidina ny 100 ha ny fahapotehan’ny ala manodidina ny faritra arovana amoron’ny reniranon’i Onilahy, ny taona 2023. An­tony mahatonga izany ny fa­naovana ny doro tanety, ny tavy, ny fampiasana ny arina fandrehitra. 100 000 ha isan-taona ny ala ringana eto Madagasikara, raha ny antontanisa farany nomen’ny Global Forest Watch. Ankehitriny, ampiasain’ny olombelona atao ho arina fandrehitra ihany koa ny ala honko. Hita mate­tika izany amin’ny faritra avaratra andrefana sy faritra an­drefana izay be ala honko. Tanterina botry na lakana mamonjy ireo tanàn-dehibe ny arina azo avy amin’ny honko. Fantatra anefa fa miantoka tanteraka ny fiveloman’ireo hazandrano samihafa, toy ny drakaka sy makamba itony karazana ala itony. Anisan’ny mpisintona entona karbona be indrindra ihany koa ny honko miohatra amin’ny ala fahita mahazatra.
Vokany, mora lasibatry ny loza voajanahary samihafa isika. Laharana fahefatra alohan’ny farany ihany koa i Madagasikara amin’ny fiovaovan’ny toetr’andro. Miantraika amin’ny fampivoarana ny toekarena ny fahapotehan’ny tontolo iainana. Ankoatra izay, miantoka ny fiveloman’ny karaza-jamananaina ny faritra mando noho izy mamatsy rano sy sakafo, rivotra sns. Tandindomin-doza ihany koa ny faritra mando, ringana avokoa ny 35%-n’ny faritra mando maneran-tany tato anatin’ny 50 taona farany, raha ny antontanisa navoakan’ny fikambanana iraisam-pirenena WWF.

Henintsoa Hani

Partager sur: