Rafitra manan-danja sy saro-pady ny Tahirimbolam-panjakana. Tsy maintsy raisina ny paikady hisorohana ny kolikoly. Natao ny 4 sy ny 5 jona teo ny atrikasa nataon’ny Fitantanana foibe ny Tahirimbolampanjakana (DGT), miaraka amin’ny Tendrom-pitsarana miady amin’ny kolikoly (Pac). Tao daholo ny teknisiana rehetra ao amin’ireo rafi-panjakana roa ireo. Nisy ny fifanakazom-baovao sy traikefa, ny fijerena ny lalàna mifehy, ny andraikitra isan-tsokajiny ho an’ny mpiasa ambony sy ny mpiasa tsotra.
Nohazavain’ny ao amin’ny Pac ny rafitra napetraka hiadiana amin’ny kolikoly ho an’ny sampandraharaha hafa, ny endriky ny kolikoly, ny fomba fanaovana ny fanadihadiana, ny fanagiazana ny fananana, sns.
Nilaza ny tale jeneralin’ny Tahirimbolam-panjakana, Rajaofetra Andry Nirina, fa laharam-pahamehana ny ady amin’ny kolikoly. Hanatsara ny kalitaon’ny asan’ny Tahirimbolam-panjakana izany sady mampandroso ny toekarena. Hapetraka any amin’ny sampandraharaha isam-paritra misy ny DGT ny rafitra miady amin’ny kolikoly. Tsy tokony hisy mihitsy ny fandoavam-bola any amin’ny sampandraharahan’ny Tahirimbolam-panjakana.
Ho an-dRabarijhon Rivonandrianina, mpandrindra nasionaly ny PAC, tsy mjanona ambony latabatra fotsiny ity atrikasa ity, fa ho dingana iombonan’ny rehetra hanatsarana ny fitantanam-bolam-panjakana sy hanafoanana ny kolikoly eto amintsika.
Njaka A.




