Nojeren’ny Banky iraisam-pirenena ny fanamboaran-dalana vatsiany vola. Anisan’izany ireo lalana nosimbain’ny rivodoza Gamane farany teo. Nihaona tamin’ny minisitry ny Asa vaventy, Andrianatrehina Ndriamihaja, ny solontenan’ny BM eto amintsika, Atou Seck, ny 5 jona teo.
Miaraka hankalazaina any Toliara ny Andro maneran-tany, ho an’ny Tontolo iainana (JME) sy ny Andro maneran-tany hiadiana amin’ny tany ngazana sy ny haintany (JMDS). Ny 5 jona ny andro ho an’ny JME ary ny 17 jona ny JMDS. Tany Melaky sy Analanjirofo no nanombohana ny JME.
Hanampy an’i Madagasikara amin’ny sehatry ny angovo azo havaozina ny ISA, Fikambanana iraisam-pirenena ho an’ny Angovo azo avy amin’ny masoandro. Any Alaotra Mangoro sy Atsinanana ny toerana ho jerena ifotony voalohany. Hisy vina hananganana paompin-drano sy vata fampangatsiahana mandeha amin’ny herin’ny masoandro.
Maherin’ny 599 taonina ny masomboly vary, nozaraina ny tantsaha, ny novambra hatramin’ny mey 2024 teo. Mihoatra ny 44 t ny soja, 263 t ny voanjo. Maherin’ny 1 148 t kosa ny zezika NPK, raha 7,786 t ny zezika organika. Faritra 18 ny toerana nisitraka ireo tamin’ny alalan’ny tetikasa Purpa ao amin’ny minisiteran’ny Fambolena sy ny fiompiana.




