INDRAY MIJERY

Manana telo andro tsy iasana isan-taona ny mpilatsaka an-tsitrapon’ny orinasa Orange hanaovana hetsika mitondra fiovana ho an’ny mpiara-belona. Mibahan-toerana amin’izany ny sosialy sy ny fiarovana ny tontolo iainana. Ho an’ity taona ity, 200 ireo hisehatra amin’ny fanentanana amin’ny fiarovana ny tontolo iainana.
Hitohy amin’ity volana jona ity ny hetsika fanatrarana ny andiam-baksiny tsy vita sy ny vaksiny ho an’ireo tsy mbola nisitraka izany. Hahafahana manenjika ny tanjona, hoy ny minisitry ny Fahasalamam-bahoaka. Afaka manatona eny amin’ny tobim-pahasalamana ireo maniry ny hampanao vaksiny ny zanany.

Nanomboka omaly ary hifarana rahampitso, ao Toliara, ny fanamarihana ny faha-10 taonan’ny Andro maneran-tany ho an’ny fidiovana mandritry ny fadim-bolana. “Ndao hiara-hientana hanampy ny vehivavy hiatrika ny fadim-bolana am-pitoniana” ny lohahevitra nosafidiana amin’ity taona ity. Hisy fanentanana isan-karazany koa mifandraika amin’ny lohahevitra.

Natomboky ny minisiteran’ny Fitsarana tamin’ ny alalan’ny fanomezana didim-pitsarana misolo sora-pahaterahana ho an’ny ankizy ao amin’ny Akany Akamasoa Ambohimahitsy ny fankalazany ny Iray volan’ny ankizy. Miisa 700 izy ireo no nisitraka izany didim-pitsarana misolo sora-pahaterahana izany hisitrahany ny zo hanana anarana, izay zo fototra voalohany.

Partager sur: