Faritra Menabe : mitotongana ny vidim-boanjo

Velon-taraina ny tantsaha mpamokatra voanjo amin’ny ta­nànan’Ampanihy, distrika Menabe. Mitotongana ny vidin’ny voanjo noho ny tsy fisian’ny orinasa mpanodim-bokatra. Anke­hitriny, nidina ho 1 500Ar ny kilaon’ny vokatra raha toa ka 2 300Ar izany tamin’ny taon-dasa. « Betsaka ny orana tamin’ity taona ity izay anisan’ny nampitombo ny vokatra saingy nandiso fanantenana ny mpamokatra ny vidiny », hoy ny fitarainan’ireo mponina any an-toerana. Noho izany, manao antso avo ny hijerena ny mety ho vahaolana mahakasika ny vidim-boanjo ny tantsaha. Ankoatra izay, miantso ny tomponandraikitra hijery ny tohodranon’i Dabara sy Bedi­maka ihany koa ny mponina, hahafahan’ny tantsaha mamokatra. Efa antitra avokoa ireo fotodrafitrasa ka sakana ho an’ny fampiroboroboana ny famokarana izany. Nanamafy kosa ireo mponina any an-toerana fa hamokatra ny tanàna raha toa ka vita ireo tohodrano voalaza etsy ambony. Mivelona amin’ny fambolena rahateo ny 70% ny mponina ao an-toerana.

Henintsoa H.

Partager sur: