Tetikasa 2024: hampifandanjana ny vola miditra sy mivoaka

Nampahafantarina omaly, teny anivon’ny Antenimieram­pirenena ny volavolan-dalàna momba ny lalàna mifehy ny fitantanam-bolam-panjakana nasiam-panitsiana ho amin’ny taona (PLFR) 2024. « Somary narisarisa ny fandoavan-ketra ka tsy tratra ny vina tamin’ity ta­pany voalohany amin’ity taona 2024 ity », hoy ny minisitry ny Toekarena sy ny fitantanam-bola, Rabarinirinarison Rindra Hasimbelo. Natao, hoy izy, izao fanitsiana izao noho ny tsy maintsy handanjalanjana ny fandaniana sy ny fampidiram-bola. Hisy fanavaozana maromaro hanatsarana ny fidiran’ny hetra mba hanatrarana ny tanjona. Nampitom­boina, araka izany, ny hetra amin’ny sehatra sasantsasany toy ny alikaola fisotro. Na izany, omen’ny fanjakana fanalefahan-ketra kosa ny fanafody sy ireo kojakoja ilaina amin’ny ara-pahasalamana. Hoesorina, noho izany, ny hetra misanda 239 miliara Ar mba tsy hampadoavan-ketra ny fanafody sy ny kojakoja mifanaraka aminy. Eo ihany koa ny fanalefahan-ketra ho an’ireo mpisehatra eo amin’ny harena an-kibon’ny tany izay mitotaly 172 miliara Ar. Mitenti­na 52 miliara Ar kosa ny fanalefahan-ketra ho an’ireo kojakoja ampiasaina eo amin’ny sehatry ny fambolena.

Fampiasam-bola andavanando
Hihena 4,9% avokoa ny fampiasam-bola andavanandro afa-tsy ny an’ny Antenimieram­pire­nena, ny Antenimieran­do­holona, ny Fi­tsa­rana avo mom­ba ny Lalàm­panorenana ary ny vaomiera mi­sahana ny fifidianana. Ankoatra izay, hihena 50% ny tetibola ho an’ny fa­nam­boarana ny trano isaky ny minisitera, ankoatra ireo izay mikarakara fifidianana. Miten­tina 1032 miliara Ar kosa ny natokana ho an’ny angovo ka ny 475 miliara dia entina ha­nampiana ny orinasa Jirama noho ireo trosa mihoapampana ananany.

Henintsoa Hani

Partager sur: