Pr. Dina Jeanne: « Ilaina ny fiofanana arakasa ho an’ny fandraharahana »

Mpampianatra mpikaroka ao amin’ny Oni­versiten’i Toliara, ny Profesora Razafiangy Dina Jeanne. Nohamafisiny fa mampiakatra ny tahan’ny tsy fahaizana mamaky teny sy manoratra ny fahantrana any atsimon’ny Nosy.

Nilaza anefa ny Pr. R. Dina Jeanne, mpahay tantara, fa sarotra ny mampianatra any Toliara miohatra amin’ny faritra hafa. Satria ambany ny fari-pahaizan’ny mpianatra. Maro ny sekoly mikatona, ka tsy afaka manohy ny fianarana any amin’ny oniversite izy ireo.
Tsy vitsy ny mpianatra nivoaka tamin’ny fampianarana ambony any an-toerana. Saingy tsy mahita asa ny ankamaroany, ary na ireo mahita aza tsy mifanandrify amin’ny fianarana norantoviny. Misy amin’izy ireny voatery mitarika posy bisikileta. « Ilaina ny hampiroboroboana ny fiofanana arakasa, indrindra ny fandraharahana, fa tsy ho fianarana ankapobeny foana. Manampy ireo, betsaka ny otrikarena aty Atsimo Andrefana, toy ny harena an-kibon’ny tany, ny fiompiana ary ny fambolena », hoy ny Pr Razafiangy Dina.
Voasoritra ao anatin’ny Politika ankapoben’ny fanjakana (PGE), fa hanatsarana ny tahan’ny fampidirana an-tsekoly ny fanabeazana tsara kalitao. Mila ahena ny fialana an-daharana any an-tsekoly, hamafisina ny fahaiza-manaon’ny mpampianatra ary mila manana rafi-pampianarana afaka ahitan’ny tanora asa.

Hampandrosoana ny toekarena
Hataon’ny fanjakana laharam-pahamehana ny fanofanana arakasa ho an’ny besinimaro. Mba hahafahan’ny tanora mora mahita asa sy hivelomany, hamorona orinasa madinika sy salantsalany, ka hiteraka asa.
Anisan’ny takin’ny Banky iraisam-pirenena ihany koa ity fanatsarana ny fanabeazana ity, mba hiadiana amin’ny fahantrana sy hampandrosoana ny toekarena. Ahafahana misarika ny mpampiasa vola vahiny izany, hampihodinana ny tetikasa vaventy amin’ny fizahantany, ny fanodinana ara-tsakafo, ny indostrian’ny harena an-kibon’ny tany, satria miteraka asa azo antoka.

Njaka Andriantefiarinesy

Partager sur: