Hatao eny amin’ny kianja Elgeco Plus, By-pass, avokoa ny manasa-dalan’ny fiadiana ny amboaran’i Madagasikara, ny alakamisy ho avy izao. Hiady ny tapakilan’ny famaranana ny Elgeco Plus sy ny Inate Fc Rouge ary ny Disciples sy ny CFFA.
Ela ny ela! Hotanterahina eny By-pass, rahafakampitso, ny dingan’ny manasa-dalana fiadiana ny amboaran’i Madagasikara, «Telma Coupe 2024», taranja baolina kitra. Hanokatra ny lalao amin’izany ny fifanandrinan’ny CFFA Andoharanofotsy sy ny Disciples FC Vakinankaratra. Aorian’izay kosa ny fihaonan’ny Elgeco Plus Analamanga, mpampiantrano sy ny Inate FC Rouge Vakinankaratra.
Raha hiverenana ny ampahefa-dalan’izy ireo, ny Elgeco nanintsana ny Ajesaia Bongolava, 2 no ho 0. Ny Inate FC Rouge nampiondrika ny Uscafoot Analamanga, 1 no ho 0. Ny Disciples FC nandresy 2 no ho 1 ny Fosa Junior Boeny. Ny CFFA nandavo ny Zanakala FC Fianarantsoa, 2 no ho 1 ihany koa.
Araka ny fikarohana natao, klioba efatra, efa nifankazatra tao amin’ny Kaonferansa Atsimo, fifaninanam-pirenena «Coca-cola Pureplay Football League» ireto tafita ireto.
Nisaraka ady sahala 0 no ho 0 ny fifanandrinan’ny Inate FC Rouge sy ny Elgeco, ny volana febroary lasa teo. Mbola manala vela amin’ny CFFA ny Disciples FC, lavon’ ny mpilalaon’Andoharanofotsy tamin’ny isa 1 no ho 0 izy ireo, nandritra ny andro fahefatry ny “PFL 2024”.
Ny alahady 7 jolay ny famaranana
Araka ny vaovao voaray avy eo anivon’ny Federasiona malagasin’ny baolina kitra (FMF), hotontosaina ny alahady ho avy izao, eny amin’ny kianja Elgeco Plus ihany, ny famaranana ny “Telma Coupe”. Raha tsy misy ny fiovana, izay mahazo ny amboara amin’ ity, hanao ny “Super Coupe” amin’ny Elgeco Plus, tompon’ ny amboara 2023, ka izay mivoaka mpandresy amin’izany no ho solontenan’i Madagasikara hifanintsana amin’ny Kaonfederasiona afrikanina CCaf. Tsara marihina fa raha mbola azon’ny Elgeco ny amboara amin’ity, tsy misy ny “Super Coupe.”
Fitia Randria