Mbola ao anatin’ireo ekipa efatra voalohany hiady izay ho lohany amin’ny “Masters 2024” taranja tsipy kanetibe i Madagasikara. Taorian’ny fahavitan’ny dingana voalohany, laharana fahatelo amin’ireo 7 mifaninana ny Malagasy.
Namoaka ny isa azon’ ireo ekipa 7 mifaninana amin’ny “Masters 2024”, taranja tsipy kanetibe ny Quaterback, mpikarakara, taorian’ny fahavitan’ny dingana voalohany, natao ny 26 sy 27 jona lasa teo, tao St Gilles Croix de vie. Nahazo isa 8 ny ekipam-pirenena malagasy ary mipetraka eo amin’ny laharana fahatelo. Mbola ao anatin’ireo efatra voalohany miandrandra ny hiatrika ny “final tour”, araka izany, ny Malagasy.
Raha tsiahivina, resy teo amin’ny dingana manasa-dalana izy ireo, izay nahitana an’i Hery sy Ny Havana ary i Balloteli sy i Tselonina, nandritra izany dingana voalohany izany. Nosakanan’ny ekipan’i Dylan Rocher, tamin’ny isa mavesatra 13 no ho 1. Nandrombaka ny fandresena, tamin’ity lalao natao tao St Gilles Croix de vie ity, ny ekipan’i Helfrick, izay nandavo an’i Dylan Rocher, tamin’ny isa tery 13 no ho 12.
Raha tsiahivina ny lalana nolalovan’ireto mpilalao ireto tamin’ity dingana voalohany ity, nandresy ny ekipan’i Quintais, tamin’ny isa 13 no ho 9 teo amin’ny ampahefa-dalana. Tsy nahazo afa-tsy isa 2 ny ekipan’i Ra-Chre, ilay Malagasy mipetraka any Frantsa. Marihina fa fifaninanana mitety ireo faritra 4 manodidina an’i Frantsa ity “Masters 2024” ity ka dingana manaraka ny ao Nevers, hatao ny 21 sy 22 aogositra ho avy izao.
Mandra-piandry izany, miatrika ireo fifaninanana isan-tokony, any an-toerana, ny ekipam-pirenena malagasy.
Tompondaka