Hotanterahina ny sabotsy 13 sy ny alahady 14 jolay ho avy izao ny Rallye karakarain’ny klioba ASACM, dingana faharoa eo amin’ny fiadiana ny ho tompondakan’i Madagasikara. 245,04 km ny halavan’ny lalana hizorana amin’izany, misy dingana manokana miisa 10, mirefy 138,08 km. Mizara roa miavaka tsara ny fanatontosana izany, ka ny Epreuve spéciale (ES) efatra voalohany hatao ny andro voalohany, raha ny “ES 5” hatramin’ny “ES 10”, kosa tanterahina ny alahady.
Anisan’ny lava indrindra amin’izany ES izany ny eo Ankilamena sortie sy Tetezambato, misy halavirana 19,66 km. Ankoatra ny halavany, tanterahina intelo io dingana manokana io. Ankoatra izay, mirefy 14,19 km koa ny ES eo amin’ny EPP Ambalamanga sy Ambohimarina, hatao intelo ihany koa ka ny iray hamarana ny ES amin’ity Rallye ASACM ity.
Hizara roa koa ny fizarana ny lalana (reconnaissance) ka manana safidy ireo mpamily na hanao izany ny 6 sy 7 jolay na ny 9 sy 10 jolay ho avy izao. Eny amin’ny seranam-piaramanidina AMY Fihaonana ny toeram-piaingana sy fahatongavana (PC), amin’ity.
Torcelin