Naneho ny alahelony tamin’ny vola nomena azy ny Malagasy rugby, tamin’ny fikarakarana ny fandraisana ny “Can”, sokajy vehivavy, natao teto Madagasikara. Nanesorana fa tsy araka ny lany izany, hoy Rakotomalala Marc
Nivoaka omaly ny volan’ny Malagasy Rugby, tamin’ny fikarakarana ny fiadiana ny ho tompondakan’i Afrika “Can 2024”, sokajy vehivavy, natao teto Madagasikara, ny volana mey lasa teo. Nitondra ny teny fisaorana ho an’ny Filoham-pirenena tetsy amin’ny kianja Makis Andohatapenaka Rakotomalala Marcel, filohan’ny Malagasy Rugby.
Na izany aza, naneho ny alahelony ary nitaraina ity tomponandraikitra voalohany amin’ny baolina lavalava eto Madagasikara ity satria nangalana 150 tapitrisa Ar izany raha tokony ho 720 tapitrisa Ar. Nahitsy ny tenin-dRakotomalala Marcel fa nanome baiko ny minisitry ny Fanatanjahantena ny Filoham-pirenena hamoaka ny vola ho an’ny Malagasy Rugby, ny andro voalohan’ny fifaninanana. Taorian’izay, niantso ny tomponandraikitra misahana ny vola ny minisitra mpisolo toerana saingy 2 volana aty aoriana vao azo izany. «Fanaovana tsinontsinona ary famitahana ny Filoham-pirenena izany», hoy izy.
Aleo hitovy lenta ny ekipam-pirenena
Mitodika any amin’ny Filoham-pirenena ny filohan’ny Malagasy Rugby mba hampitoviana lenta ny ekipam-pirenena. Novantaniny ny resaka fa ny Barea de Madagascar mahazo izay angatahiny, eny hatramin’ny fanomanantena sy ny vola fankaherezana aza. Etsy ankilany, tsy misy resaka ny amin’ny Makis Ladies, tompondaka lefitra hiatrika ny “Mondial”, ny volana septambra ho avy izao. Toy izany koa ireo Makis, sokajy lehilahy, manao ny “Can” atsy Maorisy, izay midi-trosa nefa faharoa. Manoloana izany rehetra izany, miantso vonjy amin’ny filoha Rajoelina Rakotomalala Marcel hijery ary hamaha ny olana mahazo ny Makis sy ny tontolon’ny rugby, amin’izao fotoana izao.
Tompondaka