Hotanterahina rahampitso, eny amin’ny grand parking CCI Ivato, ny dingana fahadimy, fiadiana ny ho tompondakan’i Madagasikara, “Slalom scooter 2024”, taranja Moto. Hafana tanteraka ny fifaninanana eny an-toerana, indrindra ho an’ireo mpilalao fiara kodiarandroa. Tsara marihina fa ny klioba Thunder Racing Scoot (TRS), no mikarakara ny hetsika amin’izany.
Hifanintsana eny an-toerana ireo mpamily kalaza toa-dry Andriamahazoarivo Elio na i Korotika, avy amin’ny TRS, sy Tahirilalaina Andriantsoa na i Rthax, Royal Scoot ary Razafiniaina Ethane Naeticiah na i Ngita, vehivavy mpilalao TRS. Tanjon’ny mpikarakara amin’ity ny hisarika ireo Malagasy mpankafy ny taranja Moto scooter.
Ampahatsiahivina ihany fa nandritra ny dingana fahefatry ny “Moto scooter Slalom”, izay natao tany Fianarantsoa, dia nanjakan’i Korotika ny sokajy “Moto 4 temps” ary nisongadina tao amin’ny vehivavy, i Ngita. Tsiahivina fa fanindroany amin’ity ny klioba TRS no mikarakara ity fifanintsanana ity.
Fitia Randria