Baolina kitra afrikanina ; disciples vs Orlando Pirates ary ny Elgeco Plus vs Lunda Sul

Notanterahina tany Le Caire renivohitr’i Egypte, omaly, ny antsapaka eo amin’ireo fifaninanana afrikanina, taranja baolina kitra. Anisan’ireo mandray anjara amin’izany ny ekipa malagasy. Ho an’ny fiadiana ny ho tompondaka, ry zareo Orlando Pirates avy atsy Afrika Atsimo no miandry ny Disciples FC. Ekipa andrarezina aty Afrika ity ekipa ity ary faharoa tany an-toerana ry zareo nandritra ny fifaninanam-pirenena farany teo.
Hampiantrano ny lalao voalohany eo amin’ity lalao savaranonando ity ny Mala­gasy eo anelanelan’ny 16 ka hatramin’ny 18 aogositra ary any Afrika Atsimo ny fihaonana miverina, ny 23 ka hatramin’ny 25 aogositra. Izay tafavoaka eo no hidona amin’izay afaka amin’ny African Stars Namibie sy ny Jwaneng Galaxy Botswana, eo amin’ny fihodinana voalohany.
Ho an’ny fiadiana ny amboaran’ny kaonfederasiona (Caf) indray dia ny ekipan’ny Lunda Sul avy any Angola no miandry ny Elgeco Plus, tompon’ny amboaran’i Mada­gasi­kara. Handray ny lalao mandroso amin’ity savaranonando ity ihany koa ny Elgeco Plus, ny 16 ka hatramin’ny 18 aogositra, ary any Luanda ny miverina, ny 23 ka hatramin’ny 25 aogositra ho avy izao. Ekipa vao haingana ny Lunda Sul satria ny taona 2020 no niforonany. Herintaona monja dia efa niatrika ny fifaninanam-pirenena tany an-toerana. Fahatelo izy ireo any Angola. Raha toa ka afaka eo ny Elgeco Plus, hifanandrina amin’ny Sekhukhune Utd avy atsy Afrika Atsimo.
Mbola baraingo ho an’ireto ekipa malagasy roa ireto ny amin’ny kianja handraisana ny lalao mandroso raha toa ka tsy mbola mahazo fankatoavana avy amin’ny kaonfederasiona afrikanina (Caf) ny kianjaben’i Mahamasina.

Fitia Randria

Partager sur: