Taekwondo – Kukkiwon : natomboka tamin’ny fampiofanana mpitsara

Taorian’ny teto an-drenivohitra. Nisitraka ny fiofanana amin’ny taranja Taekwondo indray ny faritr’i Fianarantsoa, omaly. Hatao ny alahady ho avy izao kosa ny fanadinana fampiakarana ambaratonga federaly sy Kukkiwon.

Notanterahina omaly, ta­ny Fianarantsoa, ny fam­­piofanana ny mpitsara ho an’ny taranja Taekwondo. Hetsika izay karakarain’ny tale teknika nasionaly (DTN), Fe­de­ra­siona malagasin’ny Taek­won­do (FMTKD), Fan­ome­zantsoa Dimbiheriniaina Pharlin, (3ème dan kukkiwon sady 4ème dan federaly) sy ny talen’ ny fampiofanana eo anivon’ny FMTKD, Ramanantsoa Narinja, (3ème dan kukkiwon sady 4 ème dan federaly).
Araka ny fanazavana azo tamin’ny DTN ny FMTKD, omaly, hanomboka anio ny fampiofanana ho an’ireo atleta rehetra any an-toerana. Ho­tontosaina ny alahady ho avy izao kosa ny fanadinana hiakarana ambaratonga kukkiwon (1ère dan- 4ème dan).
Tsy miova ny fepetra, hoy ny tale teknikan’ny Fede­ra­siona, fa tsy maintsy manana taratasim-pilalaovana avy amin’ny FMTKD sy fehikibo mena, barety roa na mihoatra ny mpandray anjara rehetra.
Ankoatra izay, nilaza ny eo anivon’ny FMTKD fa efa hivoaka tsy ho ela ny valin’ny fanadinana Kukkiwon, izay natao teto Antananarivo, ny volana jona lasa teo. Tsiahi­vina fa miisa 33 mianadahy izy ireo no mpikatroka tonga niadina teny an-toerana, tamin’izany.

Ho any Ambatolampy sy Toamasina
Aorian’i Fianarantsoa, hi­ve­latra any Ambatolampy indray ny fampiofanana sy fampiakarana ambaratonga Kukkiwon, ny 27 hatramin’ny 28 jolay ho avy izao. Hisy ihany koa ny an’ny faritr’i Toamasina, izay hotontosaina ny 28 -30 aogositra ho avy io. Hatao ny 13-15 oktobra kosa ny any Mahajanga.

Fitia Randria

Partager sur: