Nosokafana tamin’ny fomba ofisialy ny alarobia lasa teo, teny Iavoloha, ny Ivontoeran’ ny baolina kitra ho an’ny klioba CFFA Andoharanofotsy. Tonga nanokatra izany teny an-toerana ny ben’ny Tanàn’ Andoharanofotsy, Rakotoarimanana Henintsoa na i Tôta. Nambaran’ny tomponandraikitra fa antony iray nanokafana ity ivontoeram-piofanana ity ny anaran’ny klioba, izay efa hoe “Centre de formation de Foot-ball Andoharanofotsy (CFFA).
Tanjon’izy ireo ny hanana ankizy matihanina amin’ny sehatra baolina kitra sy hitaizana azy ireo amin’ny fanatanjahantena. Mamolavola tanora eo amin’ny 6 hatramin’ny 20 taona eo ity sekolin’ny baolina kitra ity, ary ahitana ny sokajy rehetra, lahy sy vavy.
Tsara marihina fa misokatra ho an’ny rehetra izany fa tsy ho an’ny mponina Andoharanofotsy ihany. Ireo olona efa manana traikefa amin’izany no mampiofana eny an-toerana ary Rasoanaivo Titi no talen’ny ivontoerana raha toa ka ny Maire Tôta no filoha mpanorina. Tsiahivina fa feno dimy taona amin’ity taona ity ny ekipan’Andoharanofotsy. Maro ny dingana efa vitan’izy ireo teto Madagasikara sy tany Afrika. Ampahatsiahivina ihany fa efa tompondakan’ny ligin’ Analamanga sady nandrombaka ny amboaran’i Madagasikara, ny CFFA, ny taona 2021. Nahazo ny «Pro League (PFL)», ny 2022. Ary nanao ny famaranan’ny “Telma Coupe”, tao anatin’ny taona roa nifanesy, 2023 sy 2024. Efa niatrika ny fiadiana ny amboaran’ny kaonfederasiona Afrikanina “Caf”, ny 2021. Nanao ny “Ligue des Champions Caf”, ny taona 2022.
Fitia Randria