Hiatrika fifanintsanana iraisam-pirenena goavana, any Kosovo, ny Ankoay 3×3, sokajy lehilahy, ny 20 jolay ho avy izao. Antananarivo no anarana entin’izy ireo mandritra izany.
Raha ny vaovao voaray avy eo anivon’ny Federasiona malagasin’ny basikety (FMBB), ny sabotsy lasa teo, teny Mahamasina, hiainga ny 18 jolay ho avy izao, hihazo an’i Kosovo, ny ekipa nasionaly malagasy, Ankoay. Hiady ny tapakila handehanana any Chine, mandritra ny fifaninanana basikety 3×3, “Le tournoi international challengers de Pristina”, sokajy lehilahy, ny anton-dian’izy ireo any an-toerana.
Tsara marihina fa izay ekipa roa manao famaranana amin’
ity “Challengers de Pristina” ity no hahazo ny tapakila hiatrehana ny “World Tour Masters” izay hotontosaina any Wuxi Chine, ny volana oktobra ho avy izao. Antananarivo no anarana entin’ny Malagasy mandritra io lalao iraisam-pirenena io. Efa manao fanazarantena ry Elly, Livio, Arnol ary Fiary. Intelo amin’ity ny Ankoay no hiatrika fifanintsanana tahaka izao.
Ampahatsiahivina ihany fa tokony ho i Frantsa, tompondakan’ny “Runball”, izay natao tatsy La Réunion, no mankany Kosovo. Tsy afaka ny handray anjara nefa izy ireo noho ny fiatrehana ny lalao Olympika, hatao any Paris, ka ny Ankoay, izay laharana faharoa no mandeha.
Tsara ny mampahatsiahy fa mpilalao efa niatrika fifanintsanana maro ry Elly sy ny namany. Anisan’izany ny fifanintsanana OQT, izay natao tany Debrecen, ny 16 hatramin’ny 19 mey lasa teo. Ankoatra izay, tsara ny mampahafantatra fa handray ny fiadiana ny ho tompondakan’i Afrika, taranja basikety 3×3, i Madagasikara, ny 29 novambra – 1 desambra ho avy izao.
Fitia Randria