Notontosaina tetsy amin’ ny Kianja Barea Mahamasina, ny sabotsy lasa teo, ny fankalazana ny Andro iraisam-pirenena ho an’ny fanatanjahantena. “Ny fanatanjahantena
ho an’ny fampandrosoana sy ny fandriampahalemana” ny lohahevitra tamin’izany. Tonga nankalaza izany ny minisitry ny Tanora sy ny fanatanjahantena (MJS), mpisolo toerana, Ramonjavelo Valéry, sy ireo mpiara-miasa aminy. Nosarihin’ity minisitra ity tamin’ny lahateniny ny olona rehetra tonga teny an-toerana. Anisan’ izany ny filazana fa zava-dehibe tokoa ny fanatanjahantena, noho izy mitaiza vatana sy saina ary fanahy. Nampahatsiahiviny ihany fa efa maro ireo fotodrafitrasa nataon’ny fanjakana ho an’ity sehatra iray ity. Toy ny Kianja Barea sy ny dobo filomanosana eny Vontovorona ary ny fanavaozana ny kianjan’Alarobia.
Ankoatra izay, maro ny hetsika nanamarihana ity andro iray ho an’ny fanatanjahantena ity. Nanombohana azy ny hazakazaka manodidina ny kianja, avy eo ny lalao ara-pirahalahiana, basikety sy baolina kitra, ary ny dihy Zumba. Tsara marihina fa tonga nankalaza izany teny an-toerana ihany koa ny orinasa Telma izay manohana akaiky ny fanatanjahantena malagasy.
Fitia Randria