« Tournoi Sandratra 2 »: Nanjaka ny foibem-pibeazana Betania

Tontosa ny sabotsy teo, teny amin’ny kianja St Michel Itaosy, ny famaranana ny tetikasa «Tournoi Sandratra 2», taranja baolina kitra ho an’ireo foibe mitaiza ireo zaza tsy misy mpiahy. Nanao pao-telo ny Betania, nibata amboara telo teo amin’ny poussin, minime, benjamin. Tsiahivina fa efa nanomboka ny volana avrily ny fifanintsanana ka 6 ireo sokajy: poussin, benjamin, minime, cadet, junior”, teo amin’ny sokajy lahy sy vavy. Tanjona ny famerenana indray ireo ankizy ho ao anaty fiarahamonina. Ny baolina kitra izay tena ankafizin’izy ireo ny nanaovana izany. Nobeazina hahay hanaja fitsipika, tsy eny ambony kianja ihany fa na ety ivelany sy eny amin’ny fiarahamonina, koa izy ireo. 13 ireo foibe nifaninana ka nisy ireo misahana ny ankizy mpirenireny, ny kamboty sy tsy misy mpiahy ary ireo sahirana eny amin’ny fokontany. Niavaka ity andiany faharoa ity, satria natao “mixte” ny benjamin, izany hoe, nampiarahina nilalao tao anaty ekipa iray ny ankizilahy sy ankizivavy. Tsia­hivina fa 4 ireo fikambanana misitraka ny tetikasa Sandra­tra dia ny Graine de Bitumes, ny Energie, ny ONG Manda sy ny ONG Avoria izay samy misa­hana ny ankizin’ny lalana avokoa.

Torcelin

Ireo voka-dalao rehetra :

Poussin : Betania (1) – (0) Graines de Bitume
Minime : Betania (3) – ManaoDe (2)
Benjamin : Betania (4) – (3) Graines de Bitume
Cadet : ONG Hardi M/car (3) – (2) Centre NRJ
Junior lehilahy : Graines deBitume (3) – (1) SOS Village d’enfant
Junior vehivavy : SOS Village d’enfant (1) – (0) Enfant du soleil

Partager sur: