Notanterahina, omaly, tao amin’ny kianja Santiago Bernabeu Espagne, ny lanonana fandraisan’ny Real Madrid an’i Kylian Mbappé, Frantsay mpilalao baolina kitra. Nahatratra 80 000 ny olona tonga nanatrika izany tao an-kianja. Niavaka tanteraka ny fandraisan’ity klioba espaniola ity an’i Mbappé. Anisan’izany ny fampisehoana horonantsary fohy izay mirakitra ny tantaran’ity kalaza frantsay ity. “Misaotra anareo mpakanfy Real Madrid ny tenako. Tanteraka ny nofinofiko”, hoy i Mbappé. Nanatrika ity lanonana ity, i Zinedine Zidane, Frantsay mpilalaon’ny Real Madrid fahiny no sady mpanazatran’ ny klioba teo aloha.
Tsara marihina fa haharitra dimy taona ny fifanarahan’ny Real sy i Mbappé, izany hoe hatramin’ny taona 2029. Raha tsy misy ny fiovana, hiakatra kianja ny volana aogositra ho avy izao ny tenany, mandritra ny famaran’ny “Super Coupe d’Europe”. Lalao izay hihaonan’ny Real Madrid, tompondakan’ny Ligue des Champions 2024 sy ny Atalanta Bergame Italie, nahazo ny “Europa League” farany teo.
Tsiahivina fa tao amin’ny klioban’ny Paris Saint Germain i Mbappé no nilalao teo aloha. Nahazo ny mpilalao mendriky ny “Ligue 1” izy nandritra ny taom-pilalaovana 2023-2024.
F.R