Tenisy – Davis Cup : nandresy an’i Lesotho ny Akomba de Madagascar

Nahazo fandresena avy hatrany ny ekipam-pirenena malagasy, ny Akomba de Madagascar, teo amin’ny andro voalohany hiadiana ny «Davis Cup »,taranja tenisy, sokajy lehilahy, ho an’ny vondrona faha-5. Resin’i Madagasikara tamin’ny isa 2 no ho 0 i Lesotho.

Tsara fanombohana ny Akomba de Madagas­car, teo amin’ny fiadiana ny «Davis Cup», taranja tenisy ho an’ny lehilahy, aty amin’ny faritr’i Afrika. Fihao­nana,tanterahina ao amin’ny kianja National Tennis Center, ao Gaborone Botswana. Nandritra ny andro voalohany natao omaly, nivoaka ho mpandresy tamin’ny isa 3 no ho 0 nanoloana an’i Lesotho ny Akomba.
Ho an’ny lalao ho an’olon-tokana voalohany, lavon-dRakotondrasoa Valentin, tamin’ny seta 2 no ho 0 (6/1 ; 6/1), i Mosebi Bishop. Tsy niady mihitsy ny fihaonan’izy mirahalahy satria toy ny nitsangantsangana fotsiny i Valentin. Tsy nisy nampatahotra mihitsy ny lalaon’izy ireo fa nanjakan’ny Malagasy tanteraka. Porofon’izany, tsy nahazo afa-tsy lalao 1 monja i Mosebi, teo amin’ireo seta roa nifanandrinana.
Nandritra ny lalao faharoa, mbola resin’Andrianaly Dylan Narinavalona ihany koa i Leshoele Mpho. Niondrika teo anatrehany tamin’ny seta 2 no ho 0 ihany koa (6/4; 7/5). Niady ny lalaon’izy mirahalahy ary tena nanohitra hatramin’ny farany ilay mpilalao avy ao Lesotho.
Nifandimbiasan’izy mirahalahy ny nahazo ny lalao tamin’ireo seta ireo saingy tombony ho an’i Dylan, ny traikefa sy ny lazonady efa ananany. Mbola lavon’i Antso sy i Valentin tamin’ny seta 2 no ho 0 (6/3 ; 6/0) ihany koa i Mpho sy i Mosebi, teo amin’ny lalao ho an’olon-droa.
Hiatrika ny lalao faharoa ny Akomba de Madagascar, amin’ity anio ity, ka hifanandrina amin’i Lybie, raha tsy misy ny fiovana. Tsiahivina fa ao amin’ny vondrona “C” no misy ny Akomba de Madagascar amin’ity fiadiana ny “Davis Cup” ity ka miaraka aminy ao i Lesotho, Botswana ary i Lybie.

Tompondaka

Partager sur: