Baolina kitra – Fifaninanam-pirenena: niova anarana ho “World Cola League des champions”

Niova ho “World Cola League des champions” indray ny anaran’ny fifaninanam-pirenena eo amin’ny taranja baolina kitra manomboka izao. Haharitra telo taona ny fiaraha-miasa sy fanohanan’ny orinasa Star ny Federasiona malagasy (FMF). Hisantatra izany ny fiadiana ny ho tompondakam-pirenena eo amin’ny sokajy «D2 Na­tional». Io no votoatin’ny fihaonan’ny tomponandraikitra eo anivon’ny Star sy ny FMF, notarihin’ny filohany, Alfred Randriamanampisoa, tamin’ny mpanao gazety, omaly, teny Andraharo.
Nozaraina ao anaty vondrona efatra ireo ekipa 24 hiady ny lohany amin’ity. Hizara dingana 2 ny fifanintsanana. Ny voalohany hanomboka ny 28 jolay ka hatramin’ny 2 aogositra ho avy izao. Kianja efatra no handray izany dia ny ao Vohemar, ao Fe­noarivo Atsinanana, any Tsiroanomandidy ary ny any Ihosy. Mifandimby mihaona izy ireo ka tafita amin’ny dingana faharoa ireo telo voalohany isam-bondrona.
Hotanterahina ny 16 ka hatramin’ny 25 aogositra ny dingana faharoa, izay mbola ho faritana ny handray izany. Hisy lalao mandroso sy miverina ny “Poule des As” ka ny voalohany hatao ny 1 ka hatramin’ny 12 septambra, any Mahajanga, ary ny faharoa any Matsiatra Ambony, ny 15 ka hatramin’ny 22 septambra 2024.
Tsiahivina fa tafita amin’ny “Pureplay football league” ny roa voalohany.

Tompondaka

Partager sur: