Rahampitso! Hiatrika fifanintsanana iraisam-pirenena goavana, any Kosovo, ny Ankoay 3×3, sokajy lehilahy. Antananarivo no anarana entin’izy ireo mandritra izany. Lalao roa avy hatrany no ataon’ny Ankoay.
Niainga omaly, teny amin’ny seranam-piaramanidina Ivato hihazo an’i Kosovo, ny ekipa nasionaly malagasy Ankoay. Hiady ny tapakila handehanana any Chine mandritra ny fifaninanana basikety 3×3, “Le tournoi international challengers de Pristina”, sokajy lehilahy, ny anton-dian’izy ireo any an-toerana. Araka ny fikarohana natao, ny ekipan’i Riffa Bahrein sy i Kandava Lettonie no hihaona amin’izy ireo rahampitso.
Tsara marihina fa izay ekipa roa manao famaranana amin’ity “Challengers de Pristina” ity no hahazo ny tapakila hiatrehina ny “World Tour Masters” izay hotontosaina any Wuxi Chine, ny volana oktobra ho avy izao. Antananarivo no anarana entin’ny Malagasy mandritra io lalao iraisam-pirenena io. Tsara marihina fa tsy misy mpanazatra ry Elly, Livio sy Arnol ary Fiary, any an-toerana.
Tsiahivina fa intelo amin’ ity ny Ankoay no hiatrika fifanintsanana tahaka izao. Ankoatra izay, mpilalao efa niatrika fifanintsanana maro ireto mandrafitra ny ekipam-pirenena malagasy ireto. Anisan’izany ny fifanintsanana OQT, izay natao tany Debrecen, ny 16 hatramin’ny 19 mey lasa teo. Efa voahosotra ho tompondakan’i Afrika, taranja basikety 3×3, ireto atleta ireto, ny taona 2022. Hifarana ny 21 jolay ho avy izao moa ity “Challengers de Pristina” ity.
Fitia Randria