Forum – Mini-basket : nahatratra 410 ireo ankizy nandray anjara

Nifarana omaly, tetsy amin’ny Kianja Barea Mahamasina, ny “Forum Africain Mini-Basket”, andiany fahenina. Ankizy miisa 410 mianadahy, manerana ny Nosy, no nisitraka ny fiofanana nandritra ny efatr’andro teny an-toerana. Tsara marihina fa atrikasa fampianarana basikety ho an’ny ankizy ny “Forum Africain Mini-Basket”, izay nahitana fampiofanana isan-karazany. Tsiahivina fa mpanazatra 70 avy amin’ny Firenena afrikanina 15, no nizara ny traikefany tamin’ireo ankizy ireo, Ankoatra izay, nisy ankizy 45 mianadahy nahazo fampitaovana basikety, avy amin’ny orinasa Canal plus Madagascar. Nilaza ny filohan’ny Federasiona malagasin’ny Basikety (FMBB), Ramaroson Jean Michel, fa hoezahina ny hampivelatra ity tetikasa ity any amin’ny faritra: “Forum Regional”.
Tanjona ny hanomanana ny hoavy sy hanomezan-danja ny taranja basikety ho an’ny ankizy, ary mba ho fampirisihana azy ireo hankafy ity taranja ity. Tsara ny mampahafantatra fa ny taona 2023, tany Tanzanie, no nanaovana ny andiany faha-5 ny Forum Africain Mini-basket ity. Anisan’ireo firenena nandray anjara tamin’izany i Madagasikara.

Fitia Randria

Partager sur: