Lalao Olympika 2024: miisa 23 ireo delegasiona lasa any Paris

Tonga ny fotoana hanombohan’ny lalao Olympika Paris 2024. Anisan’ireo mandray anjara amin’izany i Madagasikara, miisa fito ireo atleta malagasy mifanintsana amin’izany.

Hotanterahina anio, ao amin’ny reniranon’ny Quai de la Seine Paris, renivohitr’i France, ny lanonam-panokafana amin’ny lalao Olympika 2024. Araka ny vaovao voaray, miisa 23 ireo delegasiona malagasy ofisialy lasa any an-toerana. Miisa fito ireo atleta, dimy ny mpanazatra, efatra ny filohan’ny Federa­siona, roa ny avy amin’ny komity Olympika malagasy (Com), izay ahitana ny filohan’ny Com sy ny sekretera jeneraliny. Manam­py ireo ny minisitry ny Fana­tanjahantena sy ny tanora mpi­solo toerana, Ramon­javelo Valery, sy ny sefon’ny delegasiona iray, ary ny lehiben’ny mission iray sy tomponandraikitra amin’ny “village des Jeux” iray. Tsy hadino ny mpanao gazety, izay tokana ihany koa.
Ankoatra izay, sambany teo amin’ny tantaran’ny lalao Olympika no hatao eny amin’ny renirano ny fanokafana azy. Tsara ny mampahafantatra fa hifarana ny 11 aogositra ho avy izao ity fifanintsanana goavana ity.

Taranja dimy no andraisan’i Madagasikara anjara

Miisa 47 ny isan’ny taranja hifaninanana amin’ny lalao Olympika 2024. Dimy amin’ireo ihany no andraisan’i Ma­dagasi­kara anjara. Anisan’izany ny fibatana fonjamby, so­kajy vehivavy, misy an-dRandafiarison Rosina. Ny lomano, ahitana an-dry Raharvel Jonathan, lehilahy (L) sy Rabejaona Holy Antsa, vehivavy (V). Ny atletisma, misy an-dry Sidonie Fiada­nan­tsoa (V) sy Vatomanga Rija Gardiner (L). Ny taranja Judo izay hifanintsanan-dRasoa­naivo Laura (V) ary ny tenisy ambony latabatra, ping pong, hilalaovan-dRakotoari­manana Fabio. Ampahatsia­hivina ihany fa i Rosina no hitondra ny sainam-pirenena amin’ny lanonam-panokafana.

Fitia Randria

Partager sur: