Hotontosaina ny 28 jolay hatramin’ny 4
aogositra ho avy izao, eny amin’ny kianja mitafon’ny CJST Toamasina, ny fiadiana ny amboaran’i Madagasikara, taona 2024, ho an’ny sokajy zandriny U18, lahy sy vavy. Tsiahivina fa nanjakan’ny GNVB Analamanga tanteraka ny fifanintsanana U14 sy U16, izay natao tany Mahajanga, ny 14-20 jolay lasa teo.
Na tsy anisan’ireo miatrika ny lalao Olympika 2024, amin’ny taranja basikety aza i Madagasikara, manana solontena eo amin’ny mpitsara ny Malagasy. Araka ny vaovao hita omaly, Yann Vezo Davidson no Malagasy mpitsara iraisam-pirenena hitantana ny lalao Olympika any Paris, amin’ity andiany ity.
Afaka andro vitsy, izany hoe, ny 29 jolay ho avy izao, hanomboka ny fiadiana ny ho tompondakan’i Madagasikara, taranja tenisy. Ny sokajy zandriny “juniors” sy ny zokiny “vétérans” ihany no mandeha amin’io fotoana io. Tsara marihina fa hifarana ny 4 aogositra ho avy izao izany fifaninanana izany.
Ny 4 aogositra ho avy izao, any New Jersey Etats-Unis, hifanandrina amin’ny lalao ara-pirahalahiana ny ekipa espaniola roa, ny FC Barcelone sy ny Real Madrid. Mety amin’ity no hiakatra kianja voalohany ho an’ny Real i Kylian Mbappé, frantsay mpilalao baolina kitra. Tsiahivina fa mbola manala vela amin’ity fihaonana ity ny Barça.