Atleta voalohany niatrika ny fifaninanana any amin’ny lalao Olympika, tanterahina any Paris Frantsa, Raharvel Jonathan, mpilomano. Nihintsana teo amin’ny dingana voalohany izy ary tapitra hatreo ny lalany, amin’ity fihaonana goavana ity.
Vao teo amin’ny dingan’ny fifanintsanana dia efa nangoron-damba Raharvel Jonathan, mpilomano, teo amin’ny lalao Olympika atao any Paris Frantsa. Niatrika ny 100 m brasse ny tovolahy, ny sabotsy lasa teo, tao amin’ny dobo filomanosana La Défense Arena. Laharana fahafito izy ary 1 mn 05.20 s ny fe-potoany. Nihintsana ary tsy tafita niatrika ny manasa-dalana ny tenany. Tsy matiny ihany koa ny fe-potoana nananany teo aloha.
Faha-33 tamin’ireo mpilomano 36 nandray anjara ny filaharana ankapobeny, tamin’ity.
Na izany aza, tsy nisy tafita tamin’ny manasa-dalana avokoa ireo mpilomano rehetra niaraka taminy tao amin’ity fifanintsanana isam-bondrona ity, satria nihoatra ny 1 mn avokoa ny fe-potoan’izy ireo.
Nanaitra ny maro ny teny nataony tamin’ny mpanao gazety, taorian’ny fahavitan’ny fifaninanana. Fanambarana toa miharo alahelo fa tsy hahazoam-bokatra tsara ny fanomanan-tena atao eto Madagasikara. Tsiahivina fa izy irery ny hany atleta nanao ny fanazaran-tenany teto an-tanindrazana, tamin’izy 7 mianadahy misolo tena ny Malagasy any amin’ity lalao Olympika ity.
Raha ny nambarany hatrany, tamin’ny dobo filomanosana izay tsy manaraka ny fenitra Olympika akory ny nanomanany tena teto Madagasikara.
Teo amin’ny ping-pong indray, resy teo amin’ny lalao 1/32 ihany koa Rakotoarimanana Fabio. Lavon’ilay Egyptianina, i Omar Assar, tamin’ny seta 4 no ho 1 (11/6 ; 11/6 ; 7/11 ; 11/5 ; 11/8) izy.
Mitarika amin’ny volamena i Australie
Taorian’izay andro telo izay, mitarika amin’ny fahazoana medaly i Australie. Nahazo medaly 5 ka volamena 3 ary volafotsy 2. Manaraka azy ireo i Chine, volamena 3 sy alimo 1 ary fahatelo i Frantsa mpampiantrano, volamena 2 sy volafotsy 2 ary alimo 1. Fahefatra ry zareo Koreana Tatsimo, volamena 2 sy volafotsy 2 ary alimo 1. Raha ho an’i Afrika, laharana faha-13 i Tunisie, nandrombaka medaly volafotsy 1 ary faha-17 i Afrika Atsimo, alimo 1.
Tompondaka