Sombim-baovao

Nitsara ny lalaon’i Serbie sy i Porto Rico, vondrona “A”, sokajy vehivavy, any amin’ny lalao Olympika tanterahina any France, i Yann Vezo Davidson, Malagasy mpitsara basikety. Omaly no niatrehany izany, tao amin’ny kianja mitafon’i Pierre Mauroy, ao Lille. Tsiahivina fa izy no hany afrikanina mpitsara voatendry amin’izany.
Notanterahina nanomboka omaly, ny andro voalohan’ny fiadiana ny ho tompondakan’i Mada­ga­sikara, taranja baolina kitra, «World Cola D2 Natio­nale». Nisaraka ady sahala 0 no ho 0 ny ekipan’ny AS St Anne Analamanga sy ny Espoir United Betsiboka, fihaonana izay natao tany Vohemar.
Notontosaina teny amin’ny Kianja Makis Andohatapenaka ny fifanintsanana “XXL Top 12”, taranja rugby. Nisongadina tanteraka ny ekipan’ny 3FB izay nandresy ny Mang’Art Manjakaray, tamin’ny isa 42 no ho 26. Niady kosa ny fifanandrinan’ny STM savony sy ny Tam Anosibe. Resin’ny mpilalaon’Ano­sibe, 26 no ho 22 ny ny ekipan’ny savony.

Partager sur: