VAOVAO TAMBATRA

Vonona hanohana ny tetikasa « hydroélectrique » aty Madagasikara i Frantsa taorian’ny fihaonan’ny filoham-pirenena malagasy sy ny filoha Emmanuel Macron. Nifantohana manokana, nandritra ny fihaonana, ny sehatry ny angovo sy ny angovo azo havaozina izay hanamafisana ny fiaraha-miasa eo amin’ny roa tonta.

Manana karazana granite maro loko i Madagasikara saingy voafetra ny fanodidina azy. Tsy maintsy afarana avy any ivelany ny fitaovana hampiasaina ka miondrana tsy voahodina ny granite ny vokatra eto amintsika. Voatery manodina izany ny any ivelany vao miverina eto amintsika.

Manana savaivo eo amin’ny 10m ary halalina hatrany amin’ny 7 metatra ny fiompiana trondro anaty fefy. Sokajiana ao anatin’izay koa ny hakitroka manodidina ny trondro 120 isaky ny metatra toradroa ary mamokatra 1 500 taonina isan-taona, ka manodidina ny 420g ny salan-danjan’ny trondro ao anatin’ny enim-bolana, fotoana hanatanterahina ny fiompiana.

Nikaondoha avokoa ireo mpisehatra ao anatin’ny fihariana ronono nandritra ny loabary an-dasy natao tany amin’ny faritr’Ihorombe ho fampiroboroboana ny fihariana sy ho fampandrosoana ny toekarena ao an-toerana. Ilaina ny toe-tsaina maha mpandraharaha sy ny fanodinam-bokatra ho fampandrosoana ny toekarena.

Partager sur: