Elgeco Plus – Amboaran’ny Caf : hatao any Angola ny lalao mandroso sy miverina

Tsy mankany Maurice indray ny ekipan’ny Elgeco Plus, solontenan’ny Malagasy amin’ny fiadiana ny amboaran’ny Kaonfederasiona afrikanin’ny baolina kitra (CCaf). Any Angola izy ireo no hanao ny lalao roa.

Tsy raikitra ny tany Maurice. Nilaza ny loharanom-baovao iray avy eo anivon’ny klioba Elgeco Plus de Madagascar fa any Angola no hanao ny lalao mandroso sy miverina izy ireo. Hifanandrina amin’ny Lunda Sul Angola, mpampiantrano ny Elgeco ny volana aogositra ho avy izao. Fihaonana izay tafiditra amin’ny dingana voalohan’ny fiadiana ny ambo­aran’ny Kaonfederasiona afrikanina (CCaf).
Nomarihin’ity loharanom-baovao ity fa mbola andrasana ny valintenin’ny Caf mahakasika ny daty ofisialy izay hanatanterahina ity fihaonan’ ny roa tonta ity any an-toerana. Ankoatra izay, ampahatsiahivina ihany fa niantso mpilalao hanatevina ny ekipany ity tompon’ny amboaran’i Ma­da­gasikara 2024 ity. Anisan’ izany i Rado, vodilaharan’ny AS Fanalamanga.
Tsara ny mampahafantatra fa ekipa vao haingana ny Lunda Sul, ny taona 2020 teo no niforonany. Herintaona monja dia efa niatrika ny fifaninanam-pirenena tany an-toerana. Mitana ny laharana fahatelo izy ireo any Angola. Marihina fa raha tafavoaka eo ny Elgeco, hifanandrina amin’ ny Sekhukhune Utd avy atsy Afrika Atsimo. Klioba efa manana traikefa amin’ny fiatrehana ny fiadiana ny amboaran’ny Caf ny Elgeco Plus. Efa inenina izy ireo no nandray anjara tamin’izany, raha tsiahivina dia ny taona 2013, 2014, 2017, 2018 sy ny 2022 ary ny 2023.

Fitia Randria

Partager sur: