Inate FC Rouge : hitily mpilalao vaovao hanomanana ny 2025

Ho fiatrehana ny taom-pilalaovana 2025, nanapa-kevitra ny mpitantana eo anivon’ny klioban’ny Inate FC Rouge Vakinankaratra fa hitily mpilalao vaovao, hanatevin’azy ireo mandritra ny fiadiana ny ho tompondakan’i Mada­gasikara, taranja baolina kitra “Pureplay Football League (PFL)”, izay hanomboka ny volana oktobra ho avy izao.

Araka ny fanazavana azo tamin’ireo tomponandraikitra, tanora 17 hatramin’ny 28 taona eo no ilain’izy ireo. Hisy ny fitsapana izay hatao ny alarobia ho avy izao, etsy amin’ny kianjan’ny Akama­soa, Père Pedro, manomboka amin’ny 7 ora maraina. Nilaza ny filohan’ny klioba, Rakotondramiara Hasina, fa tsy misy ny vola aloa amin’ity hetsika ity fa ny fahavononana no ilain’izy ireo.

Tsiahivina fa ny Inate FC Rouge dia efa nandray anjara indroa tamin’ny fiadiana ny amboaran’i Madagasikara “Telma Coupe 2023” sy ny tamin’ity taona ity. Nihitsana teo amin’ny manasa-dalana izy ireo, tamin’ny “Telma Coupe” farany teo. Tsara ny mampahatsiahy fa nahazo fandresena indroa misesy, nandritra ny fifaninanana “Playout PFL”, izay nifarana ny 20 jolay lasa teo, teny amin’ny Kianja CFFA Iavoloha, ity ekipan’i Vakinankaratra ity.

Fitia Randria

Partager sur: