Barea de Madagascar : Vita ny fandidiana an’i Metanire

Tontosa ny alatsinainy lasa teo, tany Etats-Unis, ny fandidiana ny lohalika havian’ilay vodilaharana malagasy ao amin’ny Barea de Madagascar, i Romain Metanire. Tsy misy intsony ny ahina amin’ny toe-pahasalamany. Efa manomana ny fiverenany an-kianja ny tenany ankehitriny ka hanombohany izany ny fanetseham-batana. Marihina fa noho io aretina nahazo azy io ny antony tsy nahitana azy tao amin’ny ekipam-pirenena, nandritra ireny lalao fifanintsanana hiadian-toerana amin’ny “Mondial 2026”, nataon’ny Barea de Madagascar, ireny. Antenaina fa tsy ho ela dia afaka hanatevina indray ny Barea ny tenany. 34 taona i Romain Metanire ankehitriny ary milalao ao amin’ny Spokane Velocity, mifaninana ao amin’ny United Soccer League Championship (USLC), ligy matihanina ao avaratr’i Amerika. Nambaran’ny mpanazatra ity ekipa vaovao hilalaovan’i Metanire ity fa tombony lehibe ho an’ny Spokane Velocity, ny fananany an’i Romain Metanire, noho ireo traikefa maro toy ny nilalaovany nandritra ny efa-taona tao amin’ny MLS sy ny niatrehany ny fifanintsanana ho an’ny “Mondial”, ny taona 2023.

Tompondaka

Partager sur: