Nifarana teo amin’ny dingana 1/16 ny lalan-dRasoanaivo Laura, ho an’ny taranja judo amin’ny lalao Olympika, tanterahina any France. Resin’ilay anglisy, i Katie Jemima, ny tovovavy.
Raha nandrandrain’ny Malagasy an-tapitrisany ho lasa lavitra ilay mpanao judo, Rasoanaivo Laura, eo amin’ny lalao Olympika, atao any Paris France, tsy izay no zava-nisy fa nihintsana teo amin’ny dingana 1/16n-dalana izy. Omaly, tao amin’ny kianja mitafon’ny Arena Champ-de-Mars, nosakanan’ilay teratany britanika, i Katie Jemima Yeats-Brown, ny lalany ho an’ny sokajy -70 kg.
Resin’i Katie, tamin’ny waza-ryu iray sy fahazoana karatra mavo iray, nandritra ny fe-potoana 4 mn niadiana i Laura. «Taraiky ny fanafihana tokony nataoko raha tsy efa tratr’ilay waza-ryu iny aho, nefa nisy taktika efa napetraka. Niezaka nanenjika avy eo fa tsy tratra intsony. Teo koa ilay tsindry hoe tsy maintsy manenjika», hoy i Laura.
Na teo aza ny fahavononan’i Laura, izay sambany tafita amin’ny lalao Olympika toy izao manantombo foana ny atleta efa zatra fihaonana goavana. Mbola manana ny hoavy tsara i Laura, izay vao 20 taona monja ary traikefa ho azy iny lalao Olympika iny. “Hiala sasatra kely aloha aho dia ho hita eo ny tohiny”, hoy izy.
Atleta fahatelo nangoron-damba ho an’ny delegasiona malagasy izany i Laura, taorian-dRaharvel Jonathan, teo amin’ny taranja lomano sy Rakotoarimanana Fabio ho an’ny ping-pong. Andrasana indray ny fiakarana an-tsehatr’i Gardiner Rija Vatomanga eo amin’ny 100 m taranja atletisma sy Rabejaona Holy Antsa ho an’ny lomano, ny sabotsy 3 aogositra izao.
Mbola mitarika eo amin’ny fahazoana medaly ry zareo sinoa, nahazo 15 ka 7 volamena, 6 volafotsy ary alimo 2 arahin’i Japon, manana 13 ka 7 volamena 2 volafotsy ary 4 alimo. Fahatelo ny frantsay mpampiantrano, nahazo volamena 6 sy volafotsy 9 ary alimo 5.
Tompondaka