Fifanintsanana “Can 2025” : Any Maroc ny lalaon’ ny Barea sy i Tunisie

Raha tsy misy ny fiovana, hotanterahina ny alakamisy 5 septambra ho avy izao ny lalao hifanandrinan’ny Barea de Madagascar sy i Tunisie ho an’ny vondrona “A”, eo amin’ny fiadian-toerana ho an’ny “Can 2025”, hatao any Maroc.
Fihaonana mandroso, tafiditra eo amin’ny andro voalohany ho an’ny fifanintsanana isam-bondrona. Araka ny angom-baovao, hatao ao amin’ny kianja Hamadi Agrebi de Radès, io lalaon’ny roa tonta io. Raha ny nambaran’ny Me Rôrô, mpanazatra ny Barea de Madagascar, ny 18 aogositra ho avy izao, no tokony hamoaka ny anaran’ireo mpilalao handrafitra ny ekipam-pirenena malagasy ny tenany saingy mbola hiankina amin’ny toe-batana sy ny fahafahan’ireo mpilalao tsirairay avy izany.
Ankoatra izay, tsy mbola fantatra ihany koa ny lalao tafiditra amin’ny andro faharoa, hikatrohana amin’i Comores, tanterahina eo anelanelan’ny 2 ka hatramin’ny 10 septambra io. Tsiahivina fa tokony hatao eto Madagasikara io fihaonana amin-dry zareo kaomorianina io, saingy noho ny tsy fahazoan’ny kianjaben’i Mahamasina fankatoavana avy amin’ny Caf, tsy mbola hay izay hanatontosana izany. Andrasana, araka izany, ny fanambarana avy amin’ny Federasiona malagasy (FMF), ny amin’izay firenena hanatontosana izany lalao izany.
Marihina fa ankoatra an’i Tunisie sy i Comores, miray sokajy amin’ny Barea koa i Gambie.

Tompondaka

Partager sur: