SOMBIM-BAOVAO

Hiditra amin’ny andro fahefatra ny fiadiana ny ho tompondakan’i Madagasikara «Top 20», taranja rugby. Lalao efatra no voalahatra hatao etsy amin’ny kianja Malacam Antanimena. Crai hifandona amin’ny Asa Ambohimanarina. XV Beravina Itaosy hifanazava amin’ny CEA. SCB hifampitana amin’ny FTAM ary ny FBM hidona amin’ny 3FAI.
Hotanterahina etsy amin’ny Kianja mitafon’Ankorondrano, ny 2 ka hatramin’ny 10 aogositra ho avy izao, ny fiadiana ny ho tompondakam-pirenena amin’ny taranja handball. Hiaka-tsehatra amin’ity ny sokajy zandriny: minime, cadet, junior, lahy sy vavy. Hitiliana izay handrafitra ny ekipam-pirenena ny tanjona amin’izany.
Ao anatin’ny fanomanantena amin’ny fiatrehana ny dingana faharoa amin’ny “Masters 2024”, taranja tsipy kanetibe ny ekipam-pirenena malagasy amin’izao fotoana izao. Ao anatin’izany ny fitetezam-paritra ataon-dry zalahy. Tsiahivina fa hatao ao Nevers, ny 22 aogositra ho avy izao ny dingana faharoa.
Nisaraka ady sahala 2 no ho 2 ny fihaonan’ny FC Barcelone sy Manchester City. Fihaonana ara-pirahalahiana natao omaly, tany amin’ny kianja Orlando Etazonia. Voatery niditra tamin’ny fandakana ny “tirs au but” ny roa tonta. Nivoaka ho mpandresy tamin’ny isa 4 no ho 1 ny Barça. Tsiahivina fa ilay teratany Allemagne, Hansi Flic, no mpanazatra vaovaon’ny FC Barcelone.

Partager sur: