Hifarana afaka 2 andro sahady, ny fiadiana ny tompondakan’i Madagasikara taranja basikety, sokajy latsaky ny 14 taona lehilahy sy vehivavy, hatao any Mahajanga.
Mizotra araka ny tokony ho izy ny fiadiana ny tompondakan’i Madagasikara, taranja basikety, sokajy latsaky ny 14 taona lehilahy sy vehivavy, nanomboka ny 27 jolay lasa teo ary hifarana ny 4 aogositra izao. Ho amin’ny anio, hiditra amin’ ny lalao ampahefa-dalana ny fifaninanana ary efa fantatra avokoa ireo hiatrika izany ho an’ny ekipa lehilahy sy vehvavy. Anisan’ny ekipa hiatrika izany eo amin’ny sokajy lehilahy, ny BCEST Atsimo Andrefana izay ekipa mivoatra tanteraka amin’izao fotoana izao. Niady mafy nanoloana ny Fandrefiala ity ekipan’Atsimo Andrefana ity, teo amin’ny lalao ampahavalon-dalana, ka nahazo ny fandresena tamin’ny isa 51 no ho 43. Ny JCBA no hifandona amin’ny BCEST mandritra ny lalao ampahefa-dalana, anio. Anisan’ny hiatrika ny ampahefa-dalana ihany koa ny Cosfa izay nandavo ny ASSM tamin’ny isa tery dia tery, 28 no ho 27. Efa ela no nanomana ity fifaninanam-pirenena ity ny BCEST ary miandrandra vokatra tsara, araka ny nambaran’ny mpanazatran’izy ireo. Toraka izany koa ny JBM izay nahazo fandresena 29 no ho 21 nanoloana ny JSB. Eo amin’ny sokajy vehivavy kosa, hiatrika ny ampahefa-dalana ny Espa rehefa nanilika ny CRJS tamin’ ny isa 37 no ho 33. Raha ny vokatra hatrany, ekipa anisan’ ny manjaka tanteraka amin’ity fifaninanam-pirenena sokajy U14 ity ny Mb2All sy ny Ascut izay samy tafakatra ampahefa-dalana avokoa, na ny sokajy lehilahy, na ny sokajy vehivavy.
Mi.Raz
Fandaharan-dalao, anio
Lehilahy:
JBM vs MB2All
JCBA vs BCEST
AKBB vs Cosfa
Ascut vs BCO