Malagasy Rugby : naaton’ny Federasiona ny fifaninanana Top 12

Hatao ny volana septambra ho avy izao, ny tohin’ny fifaninanam-pirenena XXL Top 12. Tsy mijanona kosa ny fifanintsanana Top 20, federaly faharoa, izay hatao ao Antanimena.

Miato kely indray ny fifaninanana XXL Top 12, taranja rugby, federaly voalohany. Araka ny fanazavana azo tamin’ny Mala­gasy Rugby, omaly, ha­tao ny 2 septambra ho avy izao ny tohin’ny fifanintsanana izay efa miditra amin’ny andro fa­hadimy. Nomarihin’izy ireo fa tsy azo ampiasaina ny kianja Makis Andohatapenaka, mandritra ny fe-potoana voafetra.
Ankoatra izay, tsara ny mampahafantatra fa taorian’izay andro fahefatra izay, mbola manjaka ny tompondaka farany teo, ny FTM Man­jakaray. Laharana voalohany izy ireo, ary manana isa 20. Manaraka azy aoriana ny Cosfa Miaramila, isa 19, ary fahatelo ny TFMA Ankasina na ny boay kely manohitra, isa 14.
Ampatsiahivina ihany fa tsy mbola nahita faharesena tamin’ity fifaninanam-pirenena ity, ny Cosfa sy ny FTM, saingy manatombo amin’ny habe­tsahan’ny baolina nentin-tanana ny ekipan’i Manjakaray.

Mitohy ihany ny Top 20

Tsy mijanona kosa ny fiadiana ny ho tompondakan’i Madagasikara, XXL Top 20, federaly faharoa. Hotonto­saina ao amin’ny kianja Mala­cam Antanimena izany, ny alahady ho avy izao. Hisy lalao efatra andeha eny an-toerana. Hamarana ny fihaonana eny an-toerana, ny fifanandrinan’ny FBM Bema­soandro sy ny 3FAI Ambala­vao Isotry.

Fitia Randria

Partager sur: