Noho ny tsy fisian’ny kianja nahazo fankatoavana avy amin’ny kaonfederasiona afrikanina baolina kitra (Caf), hatao any ivelany avokoa ny lalao mandroso eo amin’ny fiadiana ny ho tompondaka sy ny amboara hatrehin’ny Disciples sy ny Elgeco Plus.
Efa ofisialy, araka ny vaovao navoakan’ny federasiona malagasin’ny baolina kitra (FMF), omaly, tao amin’ny tambanjotran-tseraserany fa atao any ivelan’i Madagasikara avokoa ireo lalao mandroso hatrehin’ny Elgeco Plus sy ny Disciples FC eo amin’ny fiadiana ny amboara sy ny ho tompondakan’i Afrika.
Noho ny tsy fananan’i Madagasikara kianja nahazo fankatoavana avy amin’ny kaonfederasiona afrikanina (Caf), ny anton’izany. Raha ho an’ny Elgeco Plus, izay hifanandrina amin’ny CD Lunda Sul Angola eo amin’ny fiadiana ny amboaran’ny kaonfederasiona, fantatra fa hatao ao amin’ny kianja Estadio 11 De Novembro Luanda avokoa ny fihaonana. Lalao mandroso hatao ny alarobia 21 aogositra izao ary ny sabotsy 24 aogositra ny miverina. “Metimety aminay izany satria mihena ny fandaniana sy ny havizanana. Raha atsy Maurice mantsy ny anaovana ny lalao mandroso, tsy maintsy mody eto Madagasikara nefa ny elanelan’ny andro hanaovana ny lalao miverina fohy kely. Vonona ny mpilalao hiatrika izany”, hoy i Raux Auguste mpanazatra ny Elgeco Plus.
Hatao ao amin’ny kianja Côte d’Or National Sport ao Maurice ny fihaonana voalohany hifandonan’ny Disciples FC sy ny Orlando Pirates Afrika Atsimo, eo amin’ny fiadiana ny ho tompondaka. Hotanterahina ny alahady 18 aogositra izany.
Tsy mbola navoakan’ny kaonfederasiona afrikanina (Caf) kosa ny daty sy ny toerana hanatontosana ny fihaonana miverina eo amin’ny roa tonta. Ny azo antoka aloha, tsy maintsy hatao atsy Afrika Atsimo izany. Manana kianja maro nahazo fankatoavana avy amin’ity rafitra misahana ny baolina kitra aty Afrika mantsy izy ireo.
Tompondaka