Notanterahina teny amin’ny kianja mitafon’Ankorondrano, nanomboka omaly, ny fifaninanam-pirenena ho an’ny sokajy zandriny, lehilahy sy vehivavy, taranja handball. Mana-danja tokoa ity fifaninanana ity, amin’io no hanaovana ny fifantenana mpilalao izay handrafitra ny ekipam-pirenena malagasy Akio, lehilahy sy vehivavy. Anisan’izany ihany koa ny hanana ekipa tompondaka isakin’ny sokajy, « minimes, cadets, juniors ».
Ho an’ny « minime », nahitana ekipa folo ny minimes, ka miisa enina ny mandray anjara amin’ny lehilahy, ary efatra ny vehivavy. Ny an’ny cadets, dia valo ny lehilahy ary efatra ny vehivavy. Dimy lahy sy efatra vavy, ny juniors. Marihina fa hifarana ny alahady 10 aogositra 2024, ho avy izao ity fifaninanam-pirenena ity.
Tsiahivina fa nandrombaka ny fandresena teo amin’ny sokajy “junior” lehilahy ny CHBF avy any Matsiatra Ambony raha ny HC Est avy any amin’ny ligin’Atsimo Andrefana ny an’ny “cadet” ary ny Vasia avy any Ihorombe, ny “minime”. Ankoatra izay, hotanterahina any Ethiopie, ny 1 hatramin’ny 7 novambra ho avy izao, ny fiadiana ny ho tompondakan’ny fifaninanana IHF Trophy Continental, ho an’ny mpilalao latsaky ny 18 taona.
Fitia Randria