SOMBIM-BAOVAO

Notanterahina omaly, ny andro fahatelon’ny fiadiana ny ho tompondakan’i Madagasikara, diviziona faharoa, “World Cola Ligue des Champions”, taranja baolina kitra. Lavon’ny FC Theo Sava, 1 no ho 0, tany Vohemar, ny ekipan’ny AS ST Anne Analamanga. Mari­hina fa nahazo karatra mena telo ny solontenan’Anala­manga tamin’ity fihaonana ity.

Anio no hiakatra an-tsehatra amin’ny lalao Olympika, izay hatao any Paris, i Holy Antsa, vehivavy malagasy mpilomano sokajy 50 m “nage libre”. Nilaza ny tenany fa hiezaka ny hiaro ny voninahim-pirenena ary hanamotsana ny zava-bitany tsara indrindra tamin’ny fifaninanana rehetra nataony.

Araka ny fanambarana hita tao anaty tambajotra-tseraseran’ny Malagasy Rugby, omaly, hotanterahina ny talata ho avy izao, eny amin’ny kianja Makis Ando­hata­penaka ny fifantenana ny mpilalao izay handrafitra ny Makis sokajy “seniors” lehilahy. Miisa 72 mirahalahy izy ireo no voaantso hanao izany.

Hotanterahina rahampitso, any Etazonia, ny lalao ara-pirahalahiana izay hihaonan’ny FC Barcelone sy ny Real Madrid. Ekipa roa sangany ao Espagne
izy ireo, ary toy ny famaranana kely foana ny fifanan­drinan’ny roa tonta. Tsiahivina fa tamin’ity taona
2024 ity, tsy mbola nandresy ny Real Madrid mihitsy ny Barça.

Partager sur: