Rabejaona Holy Antsa: nanamontsana ny zava-bitany tsara indrindra tany Paris

Mbola mitohy ny fandraisana anjaran’i Madagasikara, amin’ny lalao Olympika 2024 tanterahina any Paris. Atleta malagasy roa indray no niditra an-tsehatra ny sabotsy lasa teo.

Rabejaona Holy Antsa, taranja lomano, sy i Rija Vatomanga Gardiner, taranja atletisma, no nandray anjara, ny sabotsy lasa teo. Fandraisana anjara azo lazaina ho nahafa-po na dia samy tsy tafakatra amin’ny dingana manaraka aza. Ho an-dRabejaona Holy Antsa, Malagasy mpilomano nahavita nanamontsana ny “record national” izy, teo amin’ny 50m “Nage libre”. Vitany tao anatin’ny fe-potoana 27″12 izany. Laharana fahafito tao amin’ny vondrona nisy azy izy. Tsy ampy niakarany tamin’ny manasa-dalana ny vokatra. Nijanona hatreo ny lalany. Nambaran’i Holy Antsa nialohan’ny fifaninanana fa ny hanamontsana zava-bita tsara indrindra eto Madagasikara no tanjony tamin’ity lalao Olympika ity.
Ilay mpilomano avy any Kirghizistan, i Elizaveta Pecherskikh, no nahazo ny laharana voalohany tamin’ny fifanintsanana isan-tarika. Nahavita ny 50 m, tamin’ny fe-potoana 26″26 izy.
Raraka koa!
Laharana fahenina tao amin’ny vondrona nisy azy kosa i Rija Vatomanga Gardiner. Mpihazakazaka, solontena malagasy, tamin’ny fifaninanana 100 metatra. 10″82 no nanaovany ity halavirana ity. Nihintsana teo amin’ny fihodinana voalohany izy. Afapo tamin’ny zava-bitany i Rija Vatomanga raha ny nambarany. Nohamafisiny fa sambany izy niatrika lalao Olympika kanefa nahazo vokatra tahaka ireny.
Atleta malagasy dimy no efa nahavita ny anjarany, amin’
ity lalao Olympika atao any Paris ity: Raharvel Jonathan, taranja lomano. Rakotoarimanana Fabio, taranja tenisy ambony latabatra. Rasoanaivo Razafy Laura, taranja Judo. Rabejaona Holy Antsa, taranja lomano. RijaVatomanga Gardiner, taranja atletisma.
Hiditra an-tsehatra ny alarobia 7 aogositra izao kosa Randafiarison Rosina, taranja fibatana fonjamby, sokajy latsaky ny 49 kg. Handray anjara amin’io andro io ihany koa i Sidonie Fiadanantsoa, taranja atletisma, 100 metatra misy fefy. Atleta samy sangany eto Madagasikara izy ireo ka antenaina hitondra vokatra tsara.

Mi.Raz

Partager sur: