Karate-Fampivondronana: tanjona ny ho tompondaka iraisam-pirenena

Niatrika fampivondronana nandritra ny 4 andro, teny amin’ny ANS Ampefiloha, ny mpikatroka karate, sokajy Poussins, Minimes ary Ben-
jamins, taranja karaté. 24 mianadahy izy ireo no nisitraka izany. Mpikarakara ny hetsika ny federasion’ny Karate-do malagasy. Notsongaina tamin’ny fiadiana ny amboaran’i Madagasikara “enfant” farany teo izy ireo.
Ny roa voalohany isaky ny sokajy no nalaina, niatrika ny fampivondronana teto Anta­nanarivo. Nambaran’ny filohan’ny federasionin’ny Karate-do malagasy, Ratefinanahary Émile, fa dieny izao dia mila manomana sy mikotrana mafy ny mpikatroka zandriny. “Izy ireo mantsy no hoavin’ny karaté malagasy. Tanjona ny hahatompondaka azy ireo amin’ny fifaninanana iraisam-pirenena”, hoy izy.
Fandaharam-potoan’ny federasiona manaraka ny fifaninanana “Challenge de Betsileo” izay hatao any Fianarantsoa, manomboka ny 8 aogositra izao. Manaraka izany ny fiadiana ny tompondakan’i Madagasikara amin’ny fahatelopolon’ny volana oktobra izao any Toliara. Hijerena ny tomban’ezaka ho an’ny mpikatroka manerana ny Nosy ireo fifaninanana ireo.

Mi.Raz

Partager sur: